|
|
Titre : FIANAKAVIANA BE... TSY MISARAKA !
| Date : | 04/05/2002 | | Media : | Gazetiko | | N° : | 1232 | | Page : | 4 | | | | | | | | | Olona iray izahay satria : Olona miray tontolo iainana, Olona miray fonenana, Olona miray AINA.
Ho sahintsika ve ny hanitsakitsaka io soatoavina nentin-drazana, izay mibaribary eo anivon’ny fiainana andavan’andro amin’ny alàlan’ny fihavanana io ?
Isika izay mahay miara-monina, na samy hafa firazanana aza, dia mahatsapa fa ny firaisankina no maha Malagasy antsika, fototra manankery sy manakasina ary fototra iorenan’ny firenentsika eo anatrehan’izao tontolo izao.
Ireo izay mampisaraka ny Tanindrazantsika dia tsy mahatsiaro tena fa heloka be vava ny ataony eo imason’ny firaisan’ny samy Malagasy.
Manainga ny Malagasy tsy vaky volo hijoro, tsy hatahotra, hiaro ny Aina sy ny Taniny nolovany tamin’ireo razana teo aloha. Aoka isika rehetra hifandray tànana handresena ny fanavakavahana.
PITIK'AFO. | | | | Vos commentaires sur cet article |
|
|